Toamasina : Dimilahy Naka Mpianatra An-Keriny

Mercredi, 21 Mars 2012

Omaly tamin’ny firavan’ny mpianatra ny antoandro, nisy ankizy roa mianadahy nalain’ny sasany an-keriny teo am-pivoahana ny sekoly. Avy hatrany dia nampidirina tao anaty fiara 4X4 izy ireo. Maro be anefa ny mpianatra nandeha tamin’ny lalana ka tsy afaka nandroso firy ilay fiara. Tetsy an-danin’izany, maty ihany koa ny moteran’ilay izy avy eo. Asa na inona no niseho fa raha nahita izany ireo mpaka an-keriny voalaza fa miisa dimy dia rifatra nandositra. Izany zavatra izany no nanaitra ny mpandeha rehetra teny an-dalana. Nanatona ilay fiara izy ireo. Nivoaka avy eo ireo ankizy roa ary nitantara fa saika lasan’ireny olona nitsoaka ireny. Mpianatra ao amina sekoly miteny frantsay ireto saika niharan’ny sélectionné ireo.
Sumber http://terakarandriantsoa.blogspot.com/

0 Response to "Toamasina : Dimilahy Naka Mpianatra An-Keriny"

Posting Komentar

Iklan Atas Artikel

Iklan Tengah Artikel 1

Iklan Tengah Artikel 2

Iklan Bawah Artikel