Ambotofinandrahana : Roa Lahy Nodoran’Ny Olona Velona

Tsy namelan’ny vahoka tao Ambondromisotra raha tsy maty izy roa lahy izay voalaza fa dahalo. Ny alarobia teo no nisehoan’izany fitsaram-bahoaka izany. Voasambotry ny zandary izy roa ny asabotsy. Tafaporitsaka ihany anefa ka ny olona no nanampy tamin’ny fisamborana. Rehefa azo dia nodoran’ireo velona avy hatrany tamin’ny alalan’ny lasantsy. Rehefa vita izay dia tsy mbola nanaiky ihany ireo olona na dia efa teo aza ny zandary. Nangatahin’izy ireo ny handorana fanindroany ireo jiolahy mandram-pivadiny ho lavenona. Tsy neken’ny zandary izany ary dia nandrasana ny fangalan’ny havan’ny maty ireo razana.
Sumber http://terakarandriantsoa.blogspot.com/

0 Response to "Ambotofinandrahana : Roa Lahy Nodoran’Ny Olona Velona"

Posting Komentar

Iklan Atas Artikel

Iklan Tengah Artikel 1

Iklan Tengah Artikel 2

Iklan Bawah Artikel